VAOVAO

“TOROHAY FANDROSO : NANOKAFANA NY FITETEZAM-PARITRA NY TAO TOLIARA”

Tao Toliara no nanombohana ny fanokafana ny fitetezam-paritra amin’ny fampahafantarana ny fandaharan’asa Fandroso izay notontosaina tao amin’ny kianja mitafo ny 22 Aogositra teo.

Vahoakan’i Toliara – TOROHAY FANDROSO – Gymnase Couvert Toliara 22/08/2026

Maro avy hatrany ireo tanora no liana ka nihazakazaka amin’ny fitadiavana ny antsipirian’ity fandaharan’asa manohana azy ireo ity. Tan-tsoroka tahaka izao no efa nandrasana hatramin’ny ela hoy ireo tanora.

Tanjona amin’ny fidinana ifotony isam-paritra ny ahafahana mampitovy zo ireo tanora rehetra manerana ny Nosy hoy ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Fandroso RAOBELINA Andry, mba samy ahalala ny antsipiriany ka tsy ho diso anjara ary afaka ny hitondra ny tetikasa ho any amin’ny fampivoarana ny fiaraha-monina ary hipaka amin’ny firenena.

Raobelina Andry – Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Fandroso FANDROSO TOROHAY – Gymnase couvertToliara 22/08/2026

Fanombohana ho an’ny fitetezam-paritra ny tao Toliara. Hitohy amin’ireo faritra sy distrika samihafa manerana ny Nosy izany.

Aina Rabarisoa

VAOVAO HAFA

200 Lavitrisa
Ariary

Vola natokan'ny fitondrana

11

Sehatra tohanana

8% - 11%

Zana-bola