"Manangana ny hoavy" Mamatsy vola, Manangana, Manova fiainana
Momba ny Fandroso
Fandaharanasa nasionaly ho an'ny tanora sy ny mpandraharaha
Ny FANDROSO dia Fandaharanasa Nasionaly atolotry ny Fiadidian'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara.
Ho fanohanana ireo tanora manana tetikasa sy ireo olona manana vina hanangana orinasa. Ho fanampiana ireo mpandraharaha Malagasy manana faniriana hanitatra ny orinasany amin'ny alalan'ny famatsiam-bola.
Fanampi-panazavana
Tsy hay ny tsy hitodika aminareo tanora Malagasy. Fantatray fa manan-talenta sy manampahaizana manokana ianareo. Manomana tetikasa ho fampandrosoana ifotony. Fa ho ezahin’ny fanjakana ny hanohana ara-bola ireo tetikasa mendrika ao anatin’ny fangaharahana tanteraka.
Kolonely Randrianirina Michael Filohan'ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara
« Nandritra ny taona maro dia maro ny tanora no nandre hoe : «Mitadiava asa» . Fa anio kosa izahay miteny aminareo hoe : «Mamorona asa» . Satria rehefa mamorona orinasa iray ianareo tsy ianareo irery no mandroso fa miaraka aminareo ny fianankavianareo, ny tanànanareo ary ny firenena. »
Raobelina Andry Filohan'ny Filankevi-pitantanan'ny Fandroso
« Ny FANDROSO dia Fandaharanasa Nasionaly natao ho an’ny Malagasy rehetra, tsy ankanavaka.
Ho an’ireo vonona handraharaha ka manana vina sy finiavana, ary mbola mino fa afaka manova ny hoaviny sy I Madagasikara. »
Ramamonjisoa Adoré Tale Mpanatanteraka
-
OLONA KENDRENA
Tanora manana tetikasa
Startup -
FAMATSIAM-BOLA
Hatramin'ny
60 000 000 Ariary -
FAHARETAN'NY FAMERENAM-BOLA
2 taona
-
OLONA KENDRENA
Olona manana orinasa efa mijoro fa mikasa hampivelatra ny asany
-
FAMATSIAM-BOLA
mihoatra ny
60 000 000 Ariary -
FAHARETAN'NY FAMERENAM-BOLA
2 taona
“Vahoakan’i Toliara : liana amin’ny fandaharanasa fandroso”
Toliara, 22 Aogositra 2026 — Naneho fahalinana sy fahavononana ny vahoakan’i Toliara indrindra ny tanora nandritra ny fanombohana ny FANDROSO…
22/08/2026
Hamaky ny andininy
“Fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fandaharanasa nasionaly Fandroso teny Ambohitsorohitra ny 22 Jolay 2026”
Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny 22 Jolay 2026 ny fandaharanasa Nasionaly FANDROSO.
22/07/2026
Hamaky ny andininy
200
Lavitrisa
Ariary
Vola natokan'ny fitondrana
11
Sehatra tohanana
8% - 11%
Zana-bola