VAOVAO

TOROHAY FANDROSO AMORON’I MANIA : VELOM-PANANTENANA NY VAHOAKA

Fanantenana vaovao ho an’ny vahoakan’Amoron’i Mania indrindra ho an’ny tantsaha sy ny tanora ary ireo olona manana fahasembanana ny Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso. Tonga maro be teto amin’ny Tranompokonolona Antampon’i Vinany nanatrika ny Torohay Fandroso izy ireo. Efa ela ny mponina eto an-toerana no niandrandra tohana amin’ny alalan’ny famatsiam-bola tsy manavaka sy mitsinjo ny rehetra tahaka izao.

Torohay Fandroso – Ambositra – 28/08/2026

Toy ny tany amin’ireo faritra rehetra nolalovana , vonona hitarika ny mponina ihany koa ireo solotenam-panjakana tao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Tonga nanatrika ny Torohay Fandroso izy ireo.

Torohay Fandroso – Ambositra – 28/08/2026

Nahatsiaro ho nahazo tombony manokana ny faritra Amoron’i Mania tamin’ny fandalovan’ny Torohay Fandroso teto Ambositra. Ny mba ahazoan’ny Malagasy rehetra misitraka ny tohana ara-bola kosa no tena tanjona amin’ny Torohay Fandroso. Mbola vitsy dia vitsy rahateo ny antotan-taratasy fangatahana voaray avy any amin’ny faritra.

Aina Rabarisoa

VAOVAO HAFA

200 Lavitrisa
Ariary

Vola natokan'ny fitondrana

11

Sehatra tohanana

8% - 11%

Zana-bola