VAOVAO

TOROHAY FANDROSO AMBALAVAO : TSY ANTONINA NY LAPAN’NY TANANA

Taorian’ny Ihosy , tsy nandalovana fotsiny fa afaka nisitraka ny Torohay Fandroso ihany koa ny mponin’ Ambalavao. Anisan’ny nampiavaka ny tao an-toerana ny fahamaroan’ny tantsaha liana hivoatra sy hanova fiainana amin’ny alalan’ny Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso. Tsy nisalasala mihitsy izy ireo nanadihady sy nanontany fanampim-panazavana ahafahana manatanteraka ny tetikasany.

Torohay Fandroso – Ambalavao – 25/08/2026

Tahaka ny efa natao tao Toliara sy Ambalavao. Namaly ny fanontaniana samihafa napetraky ny vahoaka liana amin’ny Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso hatrany ny mpanolontsaina manokan’ny Filohan’ny fanavaozana no sady Filohan’ny filankevim-pitantanan’ny Fandroso RAOBELINA ANDRY.

Torohay Fandroso – Ambalavao – 25/08/2026

Ny fotoana natokana ho amin’ny fametraham-panontaniana araham-baliny tahaka izao no manome lanja manokana ireo mponina izay mbola tsy mahafantatra tsara ity fangatahana fanohanana ara-bola ity.

Aina Rabarisoa

VAOVAO HAFA

200 Lavitrisa
Ariary

Vola natokan'ny fitondrana

11

Sehatra tohanana

8% - 11%

Zana-bola