Praiministra Lehiben’ny governemanta RAJAONARISON Mamitiana nampatsiahy fa Fandaharan’asa mijery ny tanora ny Fandroso
« Tena mijery ny tanora ny fitondrana fanavaozana hoy ny Praiministra Lehiben’ny governemanta RAJAONARISON Mamitiana. Nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahitalivim-panjakana TVM no nanaovany tatitra manokana momba ny asa vita tao anatin’ny enim- bolana voalohany nitarihiny ny gouvernemanta.
Anisan’ny goavana amin’izany fijerena ny tanora izany hoy ny Praiministra ny fisian’ny Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso izay napetraka eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana.
200 lavitrisa Ar ny petrabola voalohany ao amin’ny Fandroso, andraisana ny tetikasan’ny tanora ary hanomezana azy ireo fampindramam-bola hanatanterahana izany tetikasa izany.
Aina Rabarisoa
Praiministra Lehiben’ny governemanta RAJAONARISON Mamitiana – TVM – 04/10/2026
200
Lavitrisa
Ariary
Vola natokan'ny fitondrana
11
Sehatra tohanana
8% - 11%
Zana-bola