VAOVAO

IHOSY : FENO HIPOKA NY EFITRANO NANDRAISANA NY VAHOAKA

Navitrika ny vahoakan’Ihosy nandray ny Torohay Fandroso ny 24 Aogositra 2026. Maro ihany koa ireo solotenam-panjakana tao an-toerana no tonga namaly ny antso sy nankasitraka tanteraka ny fahatongavana tany an-toerana, indrindra ny fanotronan’ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny fanavaozana no sady filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Fandaharan’asa Fandroso RAOBELINA ANDRY. 5 hetsy isan-taona ny tanora nahavita fianarana saingy tsy mahita atao ny akamaroany hoy izy. Izany indrindra no hisaorana hatrany ny Filohan’ny Fanavaozana nanaiky nifampiresaka sy nifandinika nahafahana nanangana ny Fandaharan’asa Fandroso.

RAOBELINA ANDRY – Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Fandaharan’asa Fandroso – Torohay Fandroso Ihosy – 24/08/2026

Nanamafy ihany koa ny solotenan’ny lehiben’ny faritr’Ihorombe fa mitondra hafatra lehibe sy goavana ny teny hoe FANDROSO noho izany manentana ny tsirairay hiroso sy hitondra fampandrosoana. Nanentana ny vahoakan’Ihosy mba ho sahy hanomboka ihany koa izy ary nilaza fa vonona ny hiaraka hiasa sy hifanome tanana amin’ny Fandroso mba tena hitondra fampandrosoana eny ifotony.

RAMILAVONJY TSIVERIASY TIALY – Lehiben’ny Faritra – Ihorombe – Torohay Fandroso Ihosy – 24/08/2026

Hita taratra nandritra ity Torohay Fandroso teto Ihosy ity fa miara-mientana sy vonona avokoa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto an-toerana amin’ny fanohanana ny tanora sy ny fampandrosoana ny faritra misy azy ireo.

Aina Rabarisoa

VAOVAO HAFA

200 Lavitrisa
Ariary

Vola natokan'ny fitondrana

11

Sehatra tohanana

8% - 11%

Zana-bola