FARITRA VAKINANKARATRA : VONONA HIFAMPITARIKA HO AMIN’NY FAMPANDROSOANA NY MPONINA
Teto Antsirabe no namaranana ny Torohay Fandroso tany amin’ny tapany atsimon’ny nosy tamin’ny fitetezam-paritra voalohany. Feno hipoka toy ny tany amin’ireo toerana hafa ihany koa ny Tranompokonolona ny sabotsy 29 Aogositra 2026. Na ireo tanora , na ireo efa nahazoazo taona , na ireo olona manana fahasembanana dia samy vonona hiaraka handroso sy hifampitarika ho an’ny fampandrosoana avokoa teto amin’ny faritra Vakinankaratra nandritra ity Torohay Fandroso ity. Saika niompana tamin’ny tatikasa mitsinjo avy hatrany ny fiarahamonina sy miteraka asa ho an’olona maro ny ankamaroan’ny tetikasa vinavinain’izy ireo atao aorian’ny fahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso.

Torohay Fandroso – Antsirabe – 29/08/2026
Tsy ny mponina ihany fa ireo tompon’andraikitra ao amin’ny faritra ihany koa dia tsy mitsahatra ny mikaroka izay hevitra rehetra hitondra fandrosoana. Nifameno tamin’ny Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso ny hevitra teto dia ny ampiroborobo ny fandraharahana sy ny fanosehana ny tanora hamorona asa araka ny nambaran’ny solotenan’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra.

Solotenan’ny Lehiben’ny Faritra Vakinankaratra – Torohay Fandroso – Antsirabe – 29/08/2026
Ho an’ireo toerana efa nandalovan’ny Torohay Fandroso dia azo atao ny maka ny taratasy fisoratana anarana any amin’ny kaominina. Marihina fa tsy mifarana hatreto ny Torohay Fandroso na ny fitetezam-paritra ho Fampahafantarana ny Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso fa mbola hitohy manerana ny nosy.
Aina Rabarisoa
200
Lavitrisa
Ariary
Vola natokan'ny fitondrana
11
Sehatra tohanana
8% - 11%
Zana-bola