VAOVAO

Famelabelaran-kevitra : FIA (Fambolena, Fiompina, Jono) sy FIG (Tontolon’ny sakafo) 2026.

Ny FANDROSO dia manampy amin’ny fanatratrarana ny tanjona ho amin’ny fahaleovantenan’ny sakafo amin’ny alalan’ny fanohanana ireo tantsaha mpiompy, mpanjono ary mpamboly manerana ny Nosy. Hoy ny Tale mpanatanteraka RAMAMONJISOA Adoré eo anivon’ny Fandaharan’asa Nasionaly FANDROSO.

𝐅𝐈𝐀 (𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚, 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐩𝐢𝐧𝐚, 𝐉𝐨𝐧𝐨) 𝐬𝐲 𝐅𝐈𝐆 (𝐓𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨) – CCI Ivato 11/09/2026

Anisan’ny nasaina handray anjara tamin’ny fihaonana sy lahateny maro momba ireo sehatra lehibe hampandrosoana an’i Madagasikara teny amin’ny CCI Ivato androany.

Tsy fanomezana maimaimpoana anefa ny famatsiam-bola, hoy hatrany izy, fa entitra ny fepetra takiana ho an’ireo izay te hisitraka izany, satria dia mitaky fahavononana hamerim-bola sy hanatanteraka marina ny tetikasany ireo mahazo ny fanohanana ara-bola.

FAMENOANA TARATASY FISORATANA ANARANA SY FANATERANA ANTOTAN-TARATASY HO AN’NY TANTSAHA

Afaka manatona koperativa sy sehatra maro samihafa ny tantsaha amin’ny fanaovana « business plan » mba hahafahany manatitra antotan-taratasy feno sy matihanina satria natao ho an’ny Malagasy rehetra ny Fandaharan’asa Nasionaly FANDROSO. Mila fahavononana ny fandraharahana hoy ny Tale mpanatanteraka.

Fandraisam-pitenenan’ny Tale Mpanatanteraka ny FANDROSO – RAMAMONJISOA Adoré – 𝐅𝐈𝐀 (𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚, 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐩𝐢𝐧𝐚, 𝐉𝐨𝐧𝐨) 𝐬𝐲 𝐅𝐈𝐆 (𝐓𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐚𝐤𝐚𝐟𝐨) – CCI Ivato 11/09/2026

Aina Rabarisoa

VAOVAO HAFA

200 Lavitrisa
Ariary

Vola natokan'ny fitondrana

11

Sehatra tohanana

8% - 11%

Zana-bola