VAOVAO

“Vahoakan’i Toliara : liana amin’ny fandaharanasa fandroso”

Toliara, 22 Aogositra 2026 — Naneho fahalinana sy fahavononana ny vahoakan’i Toliara indrindra ny tanora nandritra ny fanombohana ny FANDROSO Torohay, fitetezam-paritra entina mampahafantatra ny Fandaharanasa Nasionaly FANDROSO sy ireo fahafahana atolony ho an’ireo manana tetikasa sy ireo
mpandraharaha.

Vahoakan’i Toliara – FANDROSO TOROHAY – Gymnase Couvert Toliara 22/08/2026

Tanora maro no tonga nanatrika ny hetsika tao amin’ny Gymnase Toliara ary hita taratra tamin’izany ny fahalinan’izy ireo amin’ny fandraharahana sy ny faniriana hanangana na hampivelatra asa ao an-toerana. Maro amin’izy ireo no efa manana tetikasa na efa nanomboka fandraharahana, saingy mbola miatrika olana amin’ny fahazoana ny renivola ilaina amin’ny fampandehanana sy fanitarana izany.

Raobelina Andry – Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Fandroso FANDROSO TOROHAY – Gymnase couvertToliara 22/08/2026

Nifantoka tamin’ny fomba fandraisana anjara, ny famatsiam-bola ary ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy ireo fanontaniana napetraky ny mponina tao Toliara. Tsy mijanona eto Toliara ihany ny FANDROSO Torohay. Hitohy any amin’ireo tanàna sy faritra hafa ny fampahafantarana ny fandaharanasa, mba hahafahan’ireo tanora sy ireo mpandraharaha manerana ny Nosy mahazo vaovao sy fanazavana momba ireo fahafahana atolotry ny 22/08/2026 Fandaharanasa Nasionaly FANDROSO.

VAOVAO HAFA

200 Lavitrisa
Ariary

Vola natokan'ny fitondrana

11

Sehatra tohanana

8% - 11%

Zana-bola