HO FISOROHANA NY HOSOKA, IRETO MISY TSARA HO FANTATRA MIKASIKA NY FANDAHARAN’ASA FANDROSO.
Ny fametrahana ireo antonta-taratasy dia ao amin’ny foiben-toeran’ny Fandroso ihany ary amin’ny alalan’ny Paositra Malagasy raha ho an’ireo any amin’ny Faritra.
Tsy misy vola aloa ny fametrahana antonta-taratasy. Ny fandefasana izany amin’ny paositra Malagasy ihany no misy sarany ho an’ireo any amin’ny faritra. Maimaipoana avokoa ireo tolotra ka ny mety ho fisian’ny fangataham-bola amin’ny endriny rehetra dia sokajiana ho hosoka avokoa. Raha tsy voamarina kosa fa avy amin’ny Fandroso ny olona hametrahana antonta-taratasy dia tsara ny mametraka fahamailoana. Antonta-taratasy dika mitovy ihany no alefa amin’ny foiben-toeran’ny Fandroso.
Mandalo fanadihadiana sy fandalinana avokoa ny antonta-taratasy rehetra hapetraka. Sokajiana ho fisolokiana araka izany ny fakana vola ka mampanantena fa ahazo ny famatsiam-bola avy hatrany.
Tsy manana sampana raikitra any amin’ny faritra ity Fandaharan’asa ity ary tsy misy solontena notendrena any amin’ny Faritra. Ho an’ireo solontenan’ny Fandroso manatanteraka iraka kosa, dia tsy maintsy mitondra ny taratasim-pahazoan-dàlana manokana ary manana karatra ofisialy.
Ny foiben-toeran’ny Fandroso dia eto Antananarivo, Soanierana Ankadimbahoaka Lot III,i Boulevard Général RATSIMANDRAVA.

200
Lavitrisa
Ariary
Vola natokan'ny fitondrana
11
Sehatra tohanana
8% - 11%
Zana-bola