FANDROSO : MPIARA-MIOMBON’ANTOKA AMIN’NY FANAMORANA NY FAMATSIAM-BOLA SY NY FAMPANDROSOANA NY FAMOKARANA ETO MADAGASIKARA
Nandray anjara tamin’ny hetsika « Finance & Business Matchmaking Event » izay nokarakarain’ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra tamin’ny alalan’ny Forest and Farm Facility (FFF) ny 16 Oktobra teo ny FANDROSO. Nisy ny fifanakalozana niarahan’ny tale mpanatanteraka RAMAMONJISOA Adoré tamin’ireo mpamokatra, mpandraharaha, mpamatsy vola ary mpiara-miombon’antoka nandritra ny hetsika.

Finance & Business Matchmaking Event – Antananarivo – 16/10/2026
Marihina fa teo ambany fiahian’ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo ity hetsika ity izay natao indrindra hampifandray ireo mpamokatra amin’ny tsena sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola. Tanjona ny hanamorana ny fifandraisana amin’ny famatsiam-bola sy hanokafana fiaraha-miasa maharitra ho fanohanana ny mpamokatra sy ny sehatry ny fambolena. Satria rehefa mifandray amin’ny famatsiam-bola sy ny tsena ny mpamokatra, dia misokatra bebe kokoa ny lalana ho amin’ny fampandrosoana.

Finance & Business Matchmaking Event – Antananarivo – 16/10/2026
Ho an’ny FANDROSO, sehatra iray ahafahana mifandray amin’ireo mpisehatra ara-toekarena sy mahafantatra ny filàn’ireo mpamokatra ity hetsika ity. Mifameno amin’ny tanjon’ny fandaharan’asa ihany koa ny fanohanana ireo tetikasa Malagasy, ny fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola ary ny fanamafisana ny fandraharahana ho anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ara-toekarena.
Amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra samihafa, dia ezahina ny hampifandray bebe kokoa ny famatsiam-bola sy ny filàn’ireo mpandraharaha, mba hahafahan’ny tetikasa mivelatra sy mamorona tombontsoa ara-toekarena ho an’ny Malagasy.
Aina Rabarisoa.
200
Lavitrisa
Ariary
Vola natokan'ny fitondrana
11
Sehatra tohanana
8% - 11%
Zana-bola