FANDROSO Mandray Anjara amin’ny Business Week Andiany faha-2 any Atsimo Andrefana
Ny Faritra Atsimo Andrefana no nandray ny Business Week andiany faha-2, nanomboka ny 29 Aogositra ka hatramin’ny 6 Septambra 2026.
Nandritra ny 9 andro, nifanakalo traikefa, fahalalana ary fahaiza-manao ireo te handroso sy te hampandroso ny faritra Atsimo, ary nisokatra ho azy ireo ny vintana vaovao.

Atsimo- Andrefana Business Week – Toliara – 04/09/2026
Anisan’ireo nasaina, hizara ny traikefany sy hampahafantatra bebe kokoa ny Fandaharan’asa Nasionaly FANDROSO i Adoré Ramamonjisoa, Tale Mpanatanteraka.
Ny lalan-dalany :
– Injeniera amin’ny Génie Biologique (manokana ny Agronomie), manana « Mastère Spécialisé » azony tany Frantsa
– Nandalo teo amin’ny sehatry ny fahasalamana (Sanofi Pasteur, Sanofi Aventis), ny sehatra ampahibemaso (Sekretera Jeneralin’ny Faritra Anosy, Lehiben’ny Fanamarinana sy Fitsipika) ary ny fandraharahana
– PDG ny OPTA Group (fanamboarana, lojistika, fitaterana ary agri-business)
Ankehitriny, amin’ny maha Tale Mpanatanteraka ny FANDROSO azy, miasa isan’andro izy hanohana ireo mpandraharaha sy tanora manana vina, mba hahafahan’ny tetikasa iray mivadika ho asa, fidiram-bola ary fampandrosoana ho an’ny firenena.
Hafatra lehibe: tsy hijanona amin’ny hevitra fotsiny.
Izany indrindra no iray amin’ireo hafatra lehibe nentin’ity Business Week ity:
Raha manana hevitra ianao, aza avela hijanona ho nofinofy fotsiny izany. Raha manana tetikasa ianao, misy ny FANDROSO afaka manome tosika anao hanomboka sy handroso.
Famatsiam-bola ho an’ireo tanora mpitondra tetikasa
Fotoana tsara ihany koa izao hampahafantarana ireo tanora mpitondra tetikasa fa misy ny famatsiam-bola FANDROSO. Natao hanohanana ireo manana finiavana sy tetikasa afaka mamorona asa sy mitondra fampandrosoana izy io.

Atsimo- Andrefana Business Week – Toliara – 04/09/2026
Ny FANDROSO dia maneho fankasitrahana feno ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Manohana ireo fanapahan-kevitra noraisina hanohanana ny tanora izy, mba hanomezana sehatra ireo ary indrindra hanomezana ireo fahafahana marina hanova ny vinany ho zava-misy.
Tambie R.
200
Lavitrisa
Ariary
Vola natokan'ny fitondrana
11
Sehatra tohanana
8% - 11%
Zana-bola