VAOVAO

TOROHAY FANDROSO FIANARANTSOA : LIAM-PIVOARANA NY MPONINA

Tanora vonona sy liam-pivoarana avokoa ny tanoran’i Fianarantsoa ary efa te hiroso amin’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny mponina. Hita taratra tamin’ny fahamaroan’izy ireo tonga nanatrika ny Torohay Fandroso tao amin’ny Efitrano malalaky ny Faritra teto Fianarantsoa izany. Feno hipoka hatreny ivelany sy ny lalan-tsara ny toerana ary saika efa manana tetikasa sy orinasa ny ankamaroan’ireo olona nanatrika. Nambaran’ireo tanora fa ny tsy fisian’ny asa no tena olan’izy ireo eto Fianarantsoa. Vahaolana lehibe ho azy ireo araka izany ny fisian’ny Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso.

Torohay Fandroso – Fianarantsoa – 27/08/2026

Mitovy kosa ny vina ho an’ny filohan’ny fanavaozana RANDRIANIRINA Michael sy ny mpanolontsainany manokana no sady filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Fandaharan’asa Fandroso Raobelina Andry dia ny anao ho laharam-pahamehana ny tanora sy hampiroborobo ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara.

Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny Fandaharan’asa Fandroso RAOBELINA ANDRY – Torohay Fandroso – Fianarantsoa – 2/08/2026

Tsy hisy atao ho diso anjara araka izany ny tanora Malagasy rehetra manerana ny nosy amin’ity Fandaharan’asa Nasionaly Fandroso ity satria mitovy zo avokoa. Izany indrindra no antom-pisian’ny Torohay Fandroso tahaka izao.

Aina Rabarisoa

VAOVAO HAFA

200 Lavitrisa
Ariary

Vola natokan'ny fitondrana

11

Sehatra tohanana

8% - 11%

Zana-bola